Teny iditra |
manambina
(tambina)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Manisy tambiny [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Mettre une pierre, un coin pour maintenir la marmite sur le trépied, soutenir un malade, aider à soulever un paquet [1.3]
|
Ohatra |
1 | Andro zoma no manambina ny alahamady.
[1.381]
|
2 | Ny vady voahevitra tsara ka azo amin' izany fotoana izany no vady sahaza ka manambina, fa ny vady tonga alohan' ilay fotoana kosa, hoy izy, dia mahalana foana no tsy mahafadiranovana.
[2.285]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
manambina |
Ny lasa : |
nanambina |
Ny hoavy : |
hanambina |
Filaza mandidy : |
manambìna |
|
Tovy hevitra | |
|
Teny iditra |
manambina
(ambina)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Manome vintana tsara: Manambina azy, hono, ny akanjo volombatolalaka Mitahy: Hanambina anao anie Andriamanitra! [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To prosper, to flourish; to be made lucky in what one undertakes. [1.2]
|
| To make prosperous, to favor [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Rendre prospère, favoriser [1.3, 1.8]
|
| Avoir sous sa protection [1.3]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
manambina |
Ny lasa : |
nanambina |
Ny hoavy : |
hanambina |
Filaza mandidy : |
manambìna |
|
|
Teny iditra |
manambìna
(tambina, ambina)
|
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manambina
|
|