Teny iditra manavy (avy)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Marary ka mafana ny tena (ny anton' ny fitomboan' ny hafanana dia ny fisian' ny zavatra na mikraoby na poizina ateraky ny zava-pihinana efa simba na fanafody sasany tafiditra any amin' ny tena, tonga any amin' ny ra ka manapoizina azy) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be ill with fever. So called perhaps because of its intermittent character. [1.2]
 Slightly ill [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être un peu malade, qui a de la fièvre [1.8]
Ohatra 
1Ary misy manavy, dia asieny mafy dia maty. [2.59]
2Manavy ve ianao, sombinaiko, no izao ka dia mbola ato ihany? [2.643]
Voambolana 

Teny iditra mañavy
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Tezitra [1.78]
  [Tanala] Tezitra, misafoaka, mihetsika: Mañavy koa ny ôlane (añavian'ny andro tsarane) [1.78]
Voambolana 

Teny iditra manavy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anarana ilazana an-kapobeny ireo biby mampinono, lavalava vatana toy ny totozy, nefa mitarehim-borona manana elatra (iray tarika: manavibe, manavikely, fanihy ) [1.1]
  [Tambahoaka] Ramanavy [1.78]
Fanazavàna teny anglisy A small bat [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chauve-souris [1.54, 1.8]
Voambolana 
Tovy hevitra ramanavy
Mpanahaka  fanihy
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20