Teny iditra | mandevona (levona) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Famaritana malagasy | Manafongana, manafoana: Mandevona ny zavatra rehetra manodidina ny ipoahany ny baomba atomika ¶ Manimba: Aza mandevona ny zavatr' olona ¶ Mandrava, mandringana, mamongatra: Jiolahy no nandevona ny fananany rehetra teto ¶ Mampanjary ho fofona, etona na rano: Mandevona ny rira ny rano ¶ Mampanjary ny sakafo hanina ho za vatra mahavelona ny tena: Ny vavony no mandevona ny sakafo hanintsika [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fandikana anglisy | to consume, to destroy; to dissolve, to digest [Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
Fandikana frantsay | détruire, anéantir; dissoudre, digérer [Hallanger 1974] | ||||||||||||||||
Endriteny |
| ||||||||||||||||
Teny iditra | mandevòna (levona) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandevona | ||||||||||||||||
Famaritana malagasy | [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |