Teny iditra (1/2) | 1 mangatsiaka |
Fototeny | 2 hatsiaka |
Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Mamanala, manaikitra, mamirifiry: Mangatsiaka ny andro rehefa ririnina Tsy mafana, antara: Mangatsiaka ny kafe Tsy misy hafanana, tsy mirehidrehitra: Nangatsiaka ny fifandraisanay tao ho ao izay Mahatsiaro hatsiaka: Mangatsiaka aho fa rakofy bodofotsy Matimaty, matoritory: Mangatsiaka ny fivavahana amin' itý faritany itý |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2, 1.7] cold 6 [1.2] chilly, frigid. |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] froid |
Ohatra |
8 Vary mangatsiaka sisa nihinanantsika omaly izao no nohaninay, dia lasa izahay, fa tsy nitoetra akory. [2.324] 9 Tsy ela kosa dia nentin-dRasoa avy any, amin' ny zinga lava taho, ny rano mangatsiaka mangalahala. [2.470] |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 13 mamirifiry, antaravelona, havandra latsaka, manara, ngoly, jihitra, marikoditra, mitsangam-bolo, mangintsy, mangintsingintsina, mangintsina, mifihifihy, mivihivihy, sarotin-katsiaka, saro-nara, manaran-defona |
Kamban-teny |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana | 19 Ohabolana misy io teny mangatsiaka io |
Teny iditra (2/2) | 20 Mangatsiaka |
Singan-teny | 21 mangatsiaka |
Sokajin-teny | 22 anaran-tsamirery (haitoetany) [Fitanisana] |
Fanazavàna teny frantsay |
23 [1.11] petite rivière de la préfecture de Fort-Dauphin qui se jette dans le lac Anony |
Voambolana |
24 Haitoetany: renirano, farihy |
Fivaditsoratra | 25 mangatsiaka, Mangatsiaka |
Nohavaozina tamin' ny 2024/08/29 |