Teny iditra (1/6) | 1 manina |
Fototeny | 2 hanina |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.7] to long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina) |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.8] regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina) |
Ohatra |
7 manina ny tanindrazana aho izany! [2.470] 8 Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja. [2.471] |
Voambolana |
9 Ontam-po |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Lohateny |
Ohabolana | 19 Ohabolana misy io teny manina io |
Teny iditra (2/6) | 20 manina |
Fototeny | 21 ina |
Sokajin-teny | 22 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny anglisy |
23 [1.2] [Provincial]
to command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom. |
Haiendriteny |
|
Teny iditra (3/6) | 28 manina |
Sokajin-teny | 29 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
30 [1.78] [Bara]
manendry |
Teny iditra (4/6) | 31 manìna |
Fototeny | 32 hanina |
Sokajin-teny | 33 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
34 [1.1] |
Teny iditra (5/6) | 35 maninà |
Fototeny | 36 ina |
Sokajin-teny | 37 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
38 [1.1] |
Teny iditra (6/6) | 39 Manina |
Singan-teny | 40 manina |
Sokajin-teny | 41 anarana (lohatenin-tantara fohy) |
Voambolana |
42 Haisoratra: tantara fohy |
Mpanoratra |
43 Tselatra |
Lahatsoratra |
44 - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.
45 - Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy. |
Fivaditsoratra | 46 amanin, animan, aninam, mañañy, mañany, manañy, manany, Manina, manina, maninà, manìna, namany, namina, nanamy, nanima |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |