Teny iditra |
manina
(hanina)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Famaritana malagasy | Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | to long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina)
[Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina)
[Hallanger 1974]
|
Voambolana |
Endriteny |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Ohatra |
|
Teny nalaina |
|
Teny iditra |
manina
(ina)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fandikana anglisy | [Provincial]
to command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom. [Richardson 1885]
|
Endriteny |
|
|
Teny iditra |
manina
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Famaritana malagasy | [Bara]
manendry
[Rakotosaona 1975]
|
|
Teny iditra |
manìna
(hanina)
|
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina
|
Famaritana malagasy | [Rajemisa 1985]
|
|
Teny iditra |
maninà
(ina)
|
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina
|
Famaritana malagasy | [Rajemisa 1985]
|
|
Teny iditra |
Manina
|
Sokajin-teny | anarana (lohatenin-tononkalo)
|
Mpanoratra | Tselatra (Rajonah), 1910/06/10 |
Voambolana |
Tsanganana sy sary iray takila | Ny lohateny rehetra
|
Lahatsoratra | - Veloma ihany, ry masoandro hilentika;
masina, ry volana hisoka,fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana:
lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery;
ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina.
Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.
- Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana:
saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra.
Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana
ny aty.
Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.
|
|