| Teny iditra | 1 matoanteny |
| Singan-teny | 2 matoa, 3 teny |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny.
6 Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy: 7 a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra); 8 b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby); 9 d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana); 10 e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady); 11 f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby); 12 g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny); 13 h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana); 14 i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra); 15 j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra) 16 sokajinteny [1.1] 17 Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa. Ohatra: milalao, jerena, ahandroana. [1.146#75] 18 sokajin-teny afaka miovaova endrika [1.13] 19 sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy [1.62#738] |
| Fanazavàna teny frantsay |
20 verbe
[1.13, 1.5#208] |
| Ohatra |
21 Avy amin' ny matoanteny avokoa ireo, ka ny m novàna ho f, ary samy milaza ny enti-manao
[2.296#21]
22 matoanteny efa amin' ny fomba mandidy rahateo nefa mbola mitovana nao ihany indray ka mafimafy kokoa noho ny diniho fotsiny [2.314#67] |
| Voambolana | 23 Haiteny |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/03/06 |
|