Teny iditra | 1 matoanteny |
Singan-teny | 2 matoa, teny |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny. Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy: a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra); b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby); d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana); e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady); f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby); g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny); h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana); i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra); j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra) sokajinteny 5 [1.146#75] Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa. Ohatra: milalao, jerena, ahandroana. 6 [1.13] sokajin-teny afaka miovaova endrika 7 [1.62#738] sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy |
Fanazavàna teny frantsay |
8 [1.13, 1.5#208] verbe |
Ohatra |
9 Avy amin' ny matoanteny avokoa ireo, ka ny m novàna ho f, ary samy milaza ny enti-manao [2.296] 10 matoanteny efa amin' ny fomba mandidy rahateo nefa mbola mitovana nao ihany indray ka mafimafy kokoa noho ny diniho fotsiny [2.314] |
Voambolana |
11 Haiteny |
Kamban-teny |
|
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02 |
![]() |