Teny iditra mifanandrify (tandrify)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifanatrika, mifanoloana: Rakoto no nifanandrify tamiko tamin' ny sakafo
Mifanentana: Tsy mifanandrify amin' ny tanjak' io zaza io ity entana ity
Mifanaraka: Mifanandrify amin' ny iriny ny zavatra miseho [1.1]
 Mifanaraka [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Correspondre [1.13]
Ohatra 
1mifanandrify tsara amin' ny fitiavany ilay soratr' ondana fanao haingom-parafara. [2.470]
2Telo andàlana ny efi-trano; intelo mifanandrify koa ny varavarankely. [2.996]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifanandrify
Ny lasa : nifanandrify
Ny hoavy : hifanandrify
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20