Teny iditra miketrona (ketrona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Misy ketrona, lefiravina, fiforetan' ny lamba amin' ny tenany ihany: Tsy miketrona ity lamba ity fa henjan-doatra
Mihorongorona, mivalombalona madinika: Olona efa miketrona iny ve ho tanora intsony
Mitovy hevitra: mangata-paraky (kiraro) ~ mifararemotra ~ mifendrotra ~ mifentsahona ~ miforitra ~ mikainkona ~ mikarainkona ~ mikirotra ~ mikonkina ~ milefitra ~ mirehoka ~ mitofendrotra ~ mivalombalona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be wrinkled [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être ridé, plissé [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miketrona
Ny lasa : niketrona
Ny hoavy : hiketrona
Filaza mandidy : miketròna
Ohabolana 

Teny iditra miketròna (ketrona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miketrona [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20