|
|
|
|

Teny iditra 1  miresaka
Fototeny  2 resaka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mifanakalo hevitra: Miresaka isan-kariva Rakoto sy ny zanany
5 Manao teny ifamaliana amim-pifalifaliana momba izao sy izao: Rehefa avy homana izy ireo dia miresaka ela be
6 Mitafasiry, mitafa, mitaria, mikorana
7 Miteny, milaza: Niresaka inona taminao izy?
8 Manao dinidinika, mandahatra: Niresaka momba ny tazo ilay dokotera
9 Milaza, manambara ny heviny, mibaiko: Miresaka amin' ny tanana ny moana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  10 causer, parler, converser, parler de; causer beaucoup [1.3]
11 [Sakalava-Mayotte] crié, quelqu'un qui hurle, une personne qui parle fort [1.405]
Ohatra  12  Nandady aho no nanatona, hoy izy, ka nihaino, ary fantatro fa hianao no miresaka. [2.324]
13  Tovovavy kely tsy ampy roapolo taona ve no miresaka amiko sa vehivavy lehibe efa vory saina? [2.471#26]
14  Mba miresaka iny olona iny e! (Quel grand causeur!) [1.3#527]
15  Olona telo lahy no ao anatiny, revo miresaka. [2.472#200]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :
Mpanahaka  20  mambolyresaka, 21  manokondresaka, 22  mikorana, 23  mitafa, 24  mitafasiry, 25  mitaria
Fikambanana  26 ahazoana miresaka kokoa
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  28 maresaky, miresaka, 29 misarake, 30 seramika

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/07