Teny iditra miresaka (resaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifanakalo hevitra: Miresaka isan-kariva Rakoto sy ny zanany
Manao teny ifamaliana amim-pifalifaliana momba izao sy izao: Rehefa avy homana izy ireo dia miresaka ela be
Mitafasiry, mitafa, mitaria, mikorana
Miteny, milaza: Niresaka inona taminao izy?
Manao dinidinika, mandahatra: Niresaka momba ny tazo ilay dokotera
Milaza, manambara ny heviny, mibaiko: Miresaka amin' ny tanana ny moana
Mitovy hevitra: mamboly resaka ~ manokon-dresaka ~ mikoràna ~ mitafa ~ mitafasiry ~ mitaria [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Causer, parler, converser, parler de; causer beaucoup [1.3]
  [Sakalava-Mayotte] Crié, quelqu'un qui hurle, une personne qui parle fort [1.405]
Ohatra 
1Nandady aho no nanatona, hoy izy, ka nihaino, ary fantatro fa hianao no miresaka. [2.324]
2Tovovavy kely tsy ampy roapolo taona ve no miresaka amiko sa vehivavy lehibe efa vory saina? [2.471]
3Mba miresaka iny olona iny e! (Quelgrand causeur!) [1.3]
4Olona telo lahy no ao anatiny, revo miresaka. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miresaka
Ny lasa : niresaka
Ny hoavy : hiresaka
Filaza mandidy : miresaha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11