Teny iditra misafo (safo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampandalo moramora ny tanana eo ambony zavatra iray: Misafo ny lohany mandrakariva io zazalahy io rehefa hiteny
Manotra: Iza no nisafo ny tongotrao narary?
Teny ilazana ny vehivavy bevohoka mitondra ny kibony hojeren' ny dokotera na ny mpampivelona: Tonga misafo isan-tapa-bolana eto amin' ny hopitaly io Ramatoa io. [Voambolana: Fahasalamana]
Mandalo mba hijery ny fandehan-javatra, mba hanara-maso: Hisy lehibe hisafo ny trano fitsaboana rahampitso
Mijery taratra: Nisy lehilahy nisafo ny tanana omaly mba hangalatra [1.1]
Ohatra Raha voateny ny lesoka, misafo ny azy ny petakorona. [2.346]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misafo
Ny lasa : nisafo
Ny hoavy : hisafo
Filaza mandidy : misafoa
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra misafo
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] misasa [1.78]
  [Sihanaka, Tanala] Misasa tava, misasa maso [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/06