|
|
|
|

Teny iditra1  misangy
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Milalao amin' olona, manao kivazivazy, mamosobosotra: Loza ity zaza ity raha hisangy ny namany
Mihetraketraka, manorisory: Asaivo mitandrina Isambilo fa misangy foana ny zanako izy any ampianarana ka mita tsy ho tamana mihitsy ny zanako
Enti-milaza mpifankatia milalao mifanitikitika, mifanongotsongo, mifampikapokapoka...: Mahita ahy ise raha mbola hitako misangy an' i Soa ato avaratra
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to fool around; to tease
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] badiner; taquiner
Fototeny  6  sangy
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
10  Filaza mandidy :
Tovy hevitra  11  misangisangy
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny misangy io

Fivaditsoratra  13  misangy, misinga

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21