Teny iditra mitsoriaka (tsoriaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikoriana: Mahafinaritra aoka izany ny mijery ny loharano mitsoriaka avy any anaty ala any
Miriotra, mimaona: Mitsoriaka eny amin' ny habakabaka ny tselatra
Mandady mandeha haingana: Nisy bibilava nitsoriaka teo anaty ahitra tao
Mikorisa: Tsy mitsoriaka tsara ity vatasarihana ity
Mandositra manao tsoa-pe: Nitsoriaka ohatra ny saka ny adala raha vao nahita ahy [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsoriaka
Ny lasa : nitsoriaka
Ny hoavy : hitsoriaka
Filaza mandidy : mitsoriaha
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05