Teny iditra | mivadika (vadika) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Famaritana malagasy | Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo ¶ Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana ¶ Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary ¶ Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro ¶ Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra ¶ Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Endriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny mivadika io | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |