Teny iditra oram > ora
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ampahefatra amby roapolon' ny andro sy alina iray, izay nalaina ho venty fototra amin' ny fandrefesam-potoana; adim-pamantaranandro iray: Nahemotra ora roa ny fiaingan' ny firamanidina [1.1]
 Venty fototra amin'ny fandrefesam-potoana [1.13]
Fanazavàna teny anglisy An hour [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Heure [1.13]
Ohatra 
1Nefa tao anatin' ny an-tsasak'ora dia nangina tsy nisy zavatra nihetsika na dia kely aza. [2.324]
2Mpananotena nanomboka tamin' izay ora sy minitra izay Rasoa. [2.470]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ny fihaviany Anglisy: hour. Latina: ora.
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra oram > ora-
Sokajin-teny endritenin' ny hoe orana
Ohatra 
1Akangalahy miditra ny ala : miandry ny oran-kisava, ka tratry ny ora-mikija [2.415]
2Lambo mitoto-bozaka : tsy mahita ny ora-manelatra [2.415]

Fivaditsoratra 

Teny iditra oram > orana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Rano mirotsaka avy eny amin' ny habakabaka vokatry ny fivongovongoan' ny rahona ho rano: Mamelombelona ny zavaboary ny orana ~ Avy ny orana ~ Latsaka ny orana ~ Mitsahatra ny orana [1.1]
 Rahona mihantona eny amin' ny rivotra manodidina ny tany izay tonga rano ka milatsaka mitaika ety ambonin' ny tany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Rain. [mal. Ujan; polyn. Na.] [1.2]
 Rain [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Pluie [1.8]
Ohatra Midona ny orana any Ankaratra [2.131]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : orana, ora-, oram-, oran-
Sampanteny 
Tovy hevitra ranonorana
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra oram > orana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanadiovana na famotsiana ny firava-bolamena na volafotsy. [1.1]
Sampanteny 
 

Teny iditra oram > orana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] patsa [1.78]
 Karazam-biby mivelona any anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, ary folo ny tanana aman-tongony ka ny roa voalohany misy kinifinifiny milentika amin' ny nofon' izay ketohiny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The Madagascar crayfish, which is very plentiful in the rivers and streams of the interior. It belongs to a genus peculiar to te island, and stands alone in some of the peculiarities of its structure. Astacoides madagascariensis, And. and M.-Edw. [comp. mal. Udang, a lobster; jav. And many Malayan languages uran, a prawn.] [1.2]
 A shrimp [1.7]
Fanazavàna teny frantsay écrevisse [1.8]
Anarana siantifika Astacoides madagascariensis
Ohatra Raha tia orana hianao dia hakanay anio alina, fa mora azo foana izy ireny raha itondrana fanilo [2.324]
Voambolana 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Fivaditsoratra