Teny iditra | 1 Ririnina ny andro |
Singan-teny | 2 ririnina, andro |
Sokajin-teny | 3 anarana (lohatenin-tantara fohy) |
Voambolana |
4 Haisoratra: tantara fohy |
Mpanoratra |
|
Lahatsoratra |
5 Lasa ny fahavaratra. Tany hafa sy fo hafa no irotsahany ankehitriny. Eo am-pitsinjovana an' iny tonon-taona1 anankiray iny, inona no tonga ao an-tsaina?
6 Ny sarin' ny fiainana, ny sarin' ny adin' ny fiainana. Ny maraina fanantenana, ny antoandro ahiahy, ny hariva ranomaso. Nony ampitso, dia tonga indray ny maraina. Dia toy izany hatrany hatrany. 7 Fa ankehitriny, indro tonga ny ririnina. Inona kosa re no sary asehon' ity tonon-taona ity? Jereo ny rahon' ny habakabaka fa mbola mety manopy manja ihany; toa endriky ny fahavaratra tsy mbola tapitra; ny erika koa indreny mifafifafy mahavonto, toa sarin' ny oram-pahavaratra nohanifisina; ny rivotra koa injany mifofofofo, ka na tsy mitondra ireo oram-baventy aza, dia mivimbim-panala mahangoly. 8 Raha izany no zohina an' eritreritra, ka ampiana an' izato fisovoky ny ririnina miandalana, izay samy hafa dia samy hafa lavitra amin' ny fahatampoky ny fiavian' ny fizaran-taona namany, dia tsy inona fa fahavaratra kely, fahavaratra farany, fahavaratra antitra ny ririnina. Ary tahaka ny "fiafarana" sy ny "fahanterana " rehetra, dia andron' ny fahanginana sy fieritreretana. 9 Dia indro fa toa feno fahanginana sy fieremam-panahy ny fanirian' ny endro ririnina. 10 Mitambatra ireny ka manjary oriory ny fo, mitambolina ny alahelo. |
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/09 |
![]() |