Teny iditra andro
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Masoandro, orana: Avy ñy andro [1.78]
 Fotoana manelanelana ny misasak' alina anankiroa, na hoe adiny efatra amby roapolo: Nipetraka roapolo andro tany Antananarivo izahay
Ny fotoana anazavan' ny masoandro ny tany, izany hoe ny fotoana manelanelana ny fipoirany sy ny filentehany, na hoe adiny roa ambin' ny folo (mifanohitra amin' ny alina): Fohy ny andro rehefa ririnina, fa ny alina kosa lava
Taratry ny masoandro: Misakisaha fa tratran' ny andro ianao eo
Fotoana nisehoan-java-dehibe, na nanjakana mpanjaka malaza iray: Amin' izao andron' ny baomba atomika izao ~ Efa nanomboka ny fandrosoana tamin' ny andron-dRadama rainy
Ny fiainan' ny olombelona eto an-tany: Fohy ny andron' ny zanak' olombelona, hoy ny Soratra Masina
Vintana: Ratsy andro, hono, itỳ zaza itỳ, araka ny filazan' ny mpanandro
Toetran' ny habakabaka, ny rivotra, ny hafanana sy ny hatsiaka: Tsara ny andro androany fa manga ny lanitra ~ Mangatsiaka ny andro amin' ny ririnina
Fotoana: Vary andro foana eto aho [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The day, the daytime; a period. [Mal. hari; Dyak andow.] [1.2]
 A day; an epoch or period
A great day [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Jour, temps [1.8, 1.5]
 époque [1.5]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : andro, androko, andronao, androny, androntsika, andronay, andronareo, andron', andron-, androm-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Indray andro tao Sahabe (Andry Andraina)
Ririnina ny andro
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra andro
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Action de se baigner, bain [1.3]
Haiendriteny 
Tsotra : andro, androko, andronao, androny, androntsika, andronay, andronareo, andron', andron-, androm-
Sampanteny 

Teny iditra andro
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Habokana [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  [Taisaka] Lèpre [1.82]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : andro, androko, andronao, androny, androntsika, andronay, andronareo, andron', andron-, androm-

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/07