Teny iditra |
sahaza
|
Sokajin-teny | anarana
|
Famaritana malagasy | Tahona metaly, matsilotsilo ny lohany, izay manondro ny minitra (sahazabeny) ary ny ora (sahazakeliny) amin' ny famantaranandro: tafahodina tanteraka ny boribory amin' ny famantaranandro ny sahazabeny no mikisaka mahavita ny ampaharoa ambin' ny folony ny sahazakeliny [Rajemisa 1985]
|
|
Teny iditra |
sahaza
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Famaritana malagasy | Antonina, ampy: Sahaza hividianana ireto zavatra rehetra ireto ve ny vola any aminao? ¶ Mifanandrify, mifanentana: Nahita raharaha sahaza ny zanakao aho ¶ Antonina, mety: Sahaza ho an' ny faralahy tsara lahy ity pataloa ity [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | fit, suitable;
Sahàza àzy (It fits him, it is suitable for him) [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | approprié, qui vous va; suffisant, convenable;
Sahàza àzy (Cela lui va, il a bien mérité cela) [Hallanger 1974]
|
| suffisant [SLP 1986]
|
Sampanteny |
Mpanahaka |
ampy ~
antonony |
Teny nalaina |
|