|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  sokatra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Fivohana; tsy fikombonana fa fitanatanana.
Sampanteny 
4  Matoantenin' ny mpanao :
5  Matoantenin' ny iharana :
6  Matoantenin' ny fameno :
7  Anarana :
8  Mpamaritra :

Teny iditra (2/2)9  sokatra
Sokajin-teny  10  anarana
Fanazavàna teny malagasy  11  [1.1] Karazam-biby mandia tongotra efatra, iva tongotra, mifono ao anaty akora, izay mafy eo amin' ny faritra manarona ny lamosiny sy ny tendany, manify kosa eo amin' ny fanambaniny; manatody aleviny any anaty fasika ny sokatra; hanin' ny olona ny nofon' ny sokatra
Fanazavàna teny anglisy  12  [1.7] a turtle or tortoise
Fanazavàna teny frantsay  13  [1.54] petite tortue
14  [1.8] tortue
Ohatra  15  Izy roa tonta dia samy mankafy sokatra, kanefa samy fady mihinana sokatra lavitra ny ranomasina. [2.508#17]
16  Nahefa lovia-bara, hara teny sakalava milaza hoditra ny sokatra lebibe izay ao amy ny ranomasina, fa tsy kely tahaky ny sokatra aty Merina, ka anaovana taozavatra betsaka. [2.48]
Voambolana  17  Haibiby: biby mandady ary biby miain-droa
Mpanahaka  18  fano, kapiky, sokabe
Anaram-biby 

Fivaditsoratra  21  arotsak, asatrok, asokatr, koartsa, kosatra, rotsaka, satroka, sokatra, trosaka, tsoraka

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21