Teny iditra tafatoetra (toetra)
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qui s'est placé, qui s'est assis [1.3]
Ohatra Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy. [2.48]
Lohateny Tafatoetra (Razakandraina Jean Verdi Salomon)

Teny iditra Tafatoetra
Singan-teny tafatoetra
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsoratra 
Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …

Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?

Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
Fa mampita hazavana mampionona fanahy …

Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/11