Teny iditra toetra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny enti-milaza ny hevitra sy ny fihetsika ao amin' ny olona iray, izay anisan' ny mampiavaka azy amin' ny hafa: Mahafinaritra ny toetran' / Naivo fa tsotra sy tia namana izy
¶ Fandeha: Ratsy ny toe-barotray ka angamba, hakatonay ny tsena atsy ho atsy ~ Tsara ny toetran' ny tafika
¶ Laharana: Samy tokony hanao fitafiana araka ny toetrany avy
¶ Fomba, ny maha-izy ny zavatra iray: Ny toetrantsika olombelona ~ Samy manana ny toetrany avy ny zavatra rehetra
¶ Hatsarana na haratsiana: Ny toetran' ny tanimboly
¶ Fipetraka, fitoetra: Manàna toetra maotina [Rajemisa 1985]
 fitambaran'ny fihetsika sy fisainana ary ny fitondran-tena izay mampiavaka ny tsirairay; endrika isehoana siantifika [SLP 1986]
Fanazavàna teny anglisy state, quality, nature, condition [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay caractère [Hallanger 1974, SLP 1986]
 état, nature, qualité [Hallanger 1974]
 tempérament, propriété [SLP 1986]
Sampanteny 
Haiendriteny 
toetra
toetrako
toetranao
toetrany, toetry
toetrantsika
toetranay, toetray
toetranareo, toetrareo
toetran', toetr'
toe-, toe
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Betsaka ny olona no manana toetra anankiroa: [Andraina: Mitaraina, takila 208]
2ary tsy hisy izay hanao toetra tsy araky ny fombany. [Cohen-Bessy: Rakotovao]
3Tsy nanova toetra izy, na dia toy ny nohanin-javatra aza ny fony. [Rajaonarivelo: Bina, takila 97]
Teny nalaina 

Teny iditra toetra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Betsileo] (ce mot a de nombreuses acceptions. Dans ce cas précis, il fait allusion au port de la plante, bien étalée sur le sol). Plantago tanalensis Baker (Plantaginaceae). Nom relevé par Descheemaeker qui signale son emploi dans les maladies du jeune enfant, notamment en bouillon en cas d' alofisaka [Boiteau 1997]
Voambolana 
Anarana siantifika Plantago tanalensis

Nohavaozina tamin' ny 2021/08/23