Teny iditra Tanindrana (t-, any, indrana)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Famaritana malagasy Teny ilazana ny mponina rehetra amin' ny sisin-tany manodidina ny havoana marintampona afovoan' ny Nosy (jereo indrana = sisiny, manolotra ny sisiny) [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a dweller in the coastal regions of Madagascar; cf. Tantsiraka [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay ceux qui habitent une province autre que celle où l'on se trouve [Abinal 1888]
 habitant des régions côtières de Madagascar; cf. Tantsiraka [Hallanger 1974]
 gens de la côte [Rajaonarimanana 1995]
Voambolana 
Teny mitovy hevitra tambany ~ tantsiraka
Ohatra 
1Anisan' ny mampaningana ny Malagasy tsy vaky volo ireo, na Tanindrana na Tampatrana [Rahajarizafy: Kabary, takila 5]
2Ny olona izay tsy ato anaty ny Merina, fa indrindra izay monina amy ny sisintany, no atao hoe Tanindrana. [Callet: Tantara, takila 68]
3Ary ny Tanindrana avy any antsisin-tany, raha tonga eto Antananarivo dia raisiny tsara; [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 118]
4Efajato na dimanjato taona no efa nifampikasohan' ny Tanindrana tamin' ny Vazaha, ary tany an-tsisin-tany no nisy seranana, varavarana nidiran' ny fandrosoana rehetra, nefa dia nioharan' ny Ambaniandro amin' ny lafiny rehetra ry zareo. [Andriamalala: Ranomasina, takila 61]

2018/03/10