Teny iditra | 1 taozavatra |
Singan-teny | 2 tao, zavatra |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 Fanamboarana ny zavatra vita-Nanahary ho zavatra azon' ny olombelona hanina na ampiasaina amin' izay mahasoa azy: Ny taozavatra no ananana izay mahasoa: sakafo, fitafiana, trano [1.1] 5 fanamboarana ny akora voajanahary hajary zavatra azo hanina na ho fitaovana ampiasaina amin' ny fiainana andavanandro: Iray amin' ireo fanoitran' ny fampandrosoana ny taozavatra [1.62#972] |
Fanazavàna teny frantsay |
6 artisanat, petite entreprise [1.13, 1.5] |
Ohatra |
7 Izany no mba taozavatrao. [2.470] 8 Sady nazoto ny Egyptiana no nahay tamin' ny taozavatra. [1.38] 9 Mpiray foto-pivelomana rahateo moa, noho ny taozavatra iaraha-mahalala, ka adalan' izay miolonolona. [2.470] 10 Ary ny taozavatra atao ao Amparihibe [2.48] 11 ny mamorona taozavatra vaovao, ny manefy volamena sy volafotsy ary varahina, [2.996] |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 14 Ohabolana misy io teny taozavatra io |
Nohavaozina tamin' ny 2023/09/05 |