Teny iditra (1/2) | 1 telonohorefy |
Singan-teny | 2 telo, refy |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.38] Ireo kintana telo mamirapiratra tsara ireo no voalazan' i Joba (9. 9 ; 38. 31) sy Amosa (5. 8) amin' ny teny hebreo hoe Chesil (gr. Orion). Koa satria isan' ny kintana miseho miharihary izy, dia voalaza, miaraka amin' i Ikotokelymiadilaona sy ny kintana sasany, ho famantarana ny herin' i Jehovah, Izay nametraka azy eny amin' ny lanitra. Ny mpanoratra sasany anefa mihevitra fa kintana hafa, tahaka ilay mazava sy mamirapiratra fatratra atao hoe Siritis, na Canopus, na Cor-Scorpionis, no voalazan' ny teny hebreo hoe Chesil. Asa izay tena marina amin' izany. 5 [1.1] antokon-kintana telo avarabaratra andrefan'ny Vahindanitra, mamiratra manintona ny fijery |
Fanazavàna teny anglisy |
6 [1.7] the three stars of the belt of Orion |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.3#693] les trois étoiles du baudrier d'Orion 8 [1.8] les trois étoiles de la ceinture d'Orion |
Ohatra |
9 Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny telonohorefy? [2.996] 10 ary ny orimbintana amy ny lanitra, sy ny masoandro, sy ny volana, sy ny kintana telonohorefy, sy ny sasany; [2.48] |
Voambolana |
11 Haikintana |
Mpanahaka | 12 miadilaona |
Ohabolana | 13 Ohabolana misy io teny telonohorefy io |
Teny nalaina | 14 Soratra misy io teny telonohorefy io |
Teny iditra (2/2) | 15 telonohorefy |
Sokajin-teny | 16 anarana |
Fanazavàna teny anglisy |
17 [1.7] the greatest |
Fanazavàna teny frantsay |
18 [1.8] chose ou personne grande, éminente |
Ohatra |
19 Misy 70 mahery ireo olona nahitany hevitra ary vitany lisitra ny anarany. Ny ankamaroany amin' ireo dia ny telonohorefy. [2.304#D] |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/05 |
![]() |