Teny iditra tony
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Maotona tsy misy rivotra: Andro tony
Mandry, tsy mihetsi-mahery: Ranomasina tony
Milamina, miadana rehefa avy nijaly na nitebitéby: Efa tony ny sainy hatramin' ny nandrenesany fa tsy anisan' ny niharan-doza ny zanany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Quiet, calm [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Tranquille, calme [1.8]
Ohatra 
1Nangina tsara ny andro tamin'izay, sady tony dia tony ny rivotra. [2.324]
2Niverina tsy fidiny izahay, mba tsy hanohitra ny teniny, satria lanitra manga no teo ambony lohanay, ny rivotra tony, ny ranomasina nilamina. [2.471]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 

Teny iditra toñy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] fanononana [1.78]

Teny iditra toñy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Toerana misy mpanazary na hazary ka fijoroana [1.78]

Teny iditra tony
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] vidy, vidiny [1.78]

Teny iditra tony
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay Charme protecteur d'un territoire, d'un village, d'un parc à bœuf ou d'un terrain de culture [1.414]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2021/01/14