Teny iditra | 1 vasoka |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] tsy mamiratra na mangirana fa mangavoka, matroka, komavoka: Vatosoa efa vasoka ity ka tsy tiako afa-baraka ka menatra |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] off-color, tarnished, discolored |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] terne 6 [1.3] se dit des couleurs, du luisant, du poli, qui a perdu de son éclat, de son lustre 7 [1.8] terni |
Ohatra |
8 nikiraro baoty tonta izy, satroka tsy hita amin' ny fizaran-taona firy no nisatrohany, nitafy akanjo rebareba mainty vasoka sy niofon' andro izy. [2.270] 9 Ankehitriny, noho ny toe-javatra sy ny hevitra nisosoka na nisolo ny teo aloha, dia toa efa vasoka dia vasoka ny " didim-pihavanana " narahin' ny razana hatrizay hatrizay [2.296] |
Sampanteny |
|
Mpanahaka | 15 tsy mamiratra, tsy mangirana, tsy mandina, matroka, mangafoka, mangavoka, vazina, kimavo |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 18 Ohabolana misy io teny vasoka io |
Fivaditsoratra | 19 asavok, savako, savoka, sovaka, vasoka |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |