|
|
|
|

Teny iditra1  vasoka
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] tsy mamiratra na mangirana fa mangavoka, matroka, komavoka: Vatosoa efa vasoka ity ka tsy tiako
afa-baraka ka menatra
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] off-color, tarnished, discolored
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] terne
6  [1.3] se dit des couleurs, du luisant, du poli, qui a perdu de son éclat, de son lustre
7  [1.8] terni
Ohatra  8  nikiraro baoty tonta izy, satroka tsy hita amin' ny fizaran-taona firy no nisatrohany, nitafy akanjo rebareba mainty vasoka sy niofon' andro izy. [2.270]
9  Ankehitriny, noho ny toe-javatra sy ny hevitra nisosoka na nisolo ny teo aloha, dia toa efa vasoka dia vasoka ny " didim-pihavanana " narahin' ny razana hatrizay hatrizay [2.296]
Sampanteny 
10  Matoantenin' ny mpanao :
11  Matoantenin' ny iharana :
12  Matoantenin' ny fameno :
13  Anarana :
14  Mpamaritra :
Mpanahaka  15  tsy mamiratra, tsy mangirana, tsy mandina, matroka, mangafoka, mangavoka, vazina, kimavo
Kamban-teny 
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny vasoka io

Fivaditsoratra  19  asavok, savako, savoka, sovaka, vasoka

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21