Teny iditra vetaveta (veta)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Manao na miteny zavatra tsy mendrika; ratsy fiaina: Zaza vetaveta mihitsy ity zaza ity
Maha-menatra, tsy mendrika, maloto: Aoka ianareo tsy hiteny vetaveta eto imasoko fa mahasosotra ahy
Mandranitra ny filan' ny nofo: Aoka tsy hanao dihy vetaveta fa mamono ny fanahinareo izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Indecent, loathsome [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Indécent, abominable [1.8]
Ohatra Nisy nanoratra teny vetaveta nokiahiny tamin' ny rindrin-tsekoly. [2.472]
Sampanteny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20