Teny iditra vodivona
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Bezanozano] voditanety [Rakotosaona 1975]
 Rambon-tanety mandroso sy mitsopaka any anaty rano [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy the shoulders of a mountain [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay contrefort d'une montagne [Hallanger 1974]
Ohatra Izany no tendrombohitra niteraka ny vodivona, vodivona niteraka ny lohasaha, lohasaha niteraka ny loharano, loharano niteraka ny ony, ka nitranganay mianakavy. [Rasamuel: Fanambadiana]
Teny nalaina 

Teny iditra vodivona
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy (taloha) Faritany nofehezin' andriana napetraky ny Mpanjaka tao, izay natao indrindra hoe "tompombodivona" na koa "tompomenakely" [Rajemisa 1985]
Fandikana frantsay fief seigneurial [Ranavalona II: 1878]
 fief, domaine des seigneurs [Abinal 1888]
 domaine d'un seigneur [Hallanger 1974]
Teny mitovy hevitra menakely
Mpanahaka  menabe
Ohatra Nomen'Andriambelomasina vodivona izy [Randriamamonjy: Tantara]

Teny iditra vodivona
Sokajin-teny mpamaritra
Fandikana frantsay grand, vaste [Abinal 1888]

Nohavaozina tamin' ny 2021/04/07