Teny iditra menakely (mena, kely)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy (taloha) Tany iadidian' ny andriana anankiray napetraky ny mpanjaka ao, izay antsoina hoe tompomenakely na tompombodivona. (Jereo menabe) [Rajemisa 1985]
Fandikana frantsay fief seigneurial [Ranavalona II: 1878]
 terres et sujets des seigneurs féodaux, par opposition au menabe, terres et sujets du domaine royal [...] [Rajemisa 1966]
Teny mitovy hevitra vodivona
Mpanahaka  menabe
Ohatra 
1Nanan-karena sady be menakely Andriambahoaka; [Dahle: Angano]
2Tsy hataoko menakely ianareo fa ataoko menabe. [Randriamamonjy: Tantara]

Teny iditra menakely (mena, kely)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Karaza-mofo atao amin' ny kobam-bary misy siramamy ka endasina [Rajemisa 1985]
Voambolana 
Ohatra 
1Mofo menakely na ramanonaka no hany sakafo nohanin' ny olona. [Andraina: Mitaraina]
2Ny ankizy no nitondrany vatomamy sy menakely ka avy hatrany dia nandrapaka. [Rakotonandrasana: Tantsaha]

Nohavaozina tamin' ny 2021/04/07