|
|
|
|

Teny iditra1  vorontsiloza
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Vorona lehibe, fianakaviam-ben' ny akoho, vorombola..,, manam-bika hafa kely fa misy nofo mikiramborambo eo amin' ny lohany, ny tendany misy toa haingony mitarazoka ary ny rambony azony velarina toy ny fikopaka rehefa midoroboka izy; tsara hena ary tsy mba saro-devonina ohatra ny gisa ny vorontsiloza
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] turkey
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.54] dinde
6  [1.8] dinde, dindon
Ohatra  7  [2.332#] Nifidianan' Ineny izay matavy sy lehibe tsara ny vorontsiloza.
8  [2.442#] Ny ahy kosa vorontsiloza, ity anaty sobika ity, hoy ilay fatsora.
9  [2.69#] Vorona iray karazana amin' ny vorontsiloza io, ka nidoboka sy nibarera, raha nisy nisiaka azy.
Voambolana  10  Haibiby: vorona
Singan-teny  11  vorona, tsy, loza
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny io
Sary 
15 

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/02