|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : vorontsiloza

Ohabolana 1Aza manao tahaka ny vorontsiloza: miebanebana tsy ankizivavy, dia izy ihany; manakora tsy adin’ ombilahy, dia izy ihany; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany; maneno tsy ampongabe, dia izy ihany. [2.653]
Aza manao tahaka ny vorontsiloza : mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany, manakora tsy adin' ombalahy, dia izy ihany, miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany, midoboka tsy ampongabe, dia mbola izy ihany koa. [2.558]
Aza manao tahaka ny vorontsiloza: mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany; manakora tsy adin’ ombilahy, dia izy ihany; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany; midoboka tsy ampongabe, dia izy ihany. [2.653]

Ohabolana 2Aza manao toy ny osy ; mihambo tena, fa izy ihany. [2.165]
Aza manao toy ny vorontsiloza ; mihambo tena, fa izy ihany. [2.165]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le dindon (ou la chèvre); ils prétendent pouvoir faire toutes sortes de choses sans pour cela être autre chose que ce qu' ils sont. [2.165]

Ohabolana 3Aza midoka tena toa vorontsiloza : siahina dia midoroboka. [2.558 #716]
Aza midoka tena, toy ny vorontsiloza: siahina, dia midoroboka. [2.653, 2.974]
Dikanteny frantsayNe vous vantez pas comme le dindon : on siffle et il fait la roue. [2.974 #149]

Ohabolana 4Aza mihogo tena toy ny vorontsiloza. [2.653 #615, 2.558]

Ohabolana 5Mibehambehana ohatra ny vorontsiloza avy nosiahina. [2.974]
Nibehambehana, ohatra ny vorontsiloza avy nosiahina. [2.653]
Nibehambehana tahaka ny vorontsiloza avy nosiahina. [2.558 #2781]
Dikanteny frantsaySe pavaner comme un dindon qui vient d’entendre siffler. [2.974 #157]

Ohabolana 6Vorontsiloza : tsy loza, nefa, raha alaina loza ihany. [2.558 #5049, 2.653]

Fizahan-teny