|
|
|
|

Teny iditra1  Alasora
Singan-teny  2  ala, sora
Sokajin-teny  3  anaran-tsamirery (haitoetany)
Fanazavàna teny malagasy  4  Alantsora, ala be sora, no toa hevitry ny anarany (sora: biby toy ny sokina, saingy madinika, misoratra vony mitsoriadriaka). Ery amin-ny Asorotanin' i Antananarivo, atsinanana somary atsimo keliny, i Alasora, tazana tsara mierinerina, manamanana endrika izaitsizy, mavamavana erỳ an-dafin-ny ony Ikopa. Tanàna tena mana-tantara eto amin-ny Nosy i Alasora, tranainy be, efa tao hatramin-ny 400 taona mahery, nalaza talohan-Ambohimanga sy Antananarivo... [1.10]
Fanazavàna teny frantsay  5  petit village à 6 km au sud-est de Tananarive, qui fut, d'après la tradition, un des berceaux de la dynastie merina, puisque c'est là que régna, vers 1540, le troisième roi historiquement connu, Andriamanelo ainsi que son fils Ralambo... [1.11]
Ohatra  6  Hoy Antananarivo izahay mbola zaza
hoy alasora izahay mbola kely
ny anaran'ity lambako ity
lamba-malemy-tsy-akopakopaka
[2.131]
7  Ary Rafohy niteraka an'Andriamanelo etsy alasora. [2.48]
8  Blanche, blanche l'orchidée au col de la colline d'Alassour!
La pivoine embrase les sentiers sous les feux des couleurs immémoriales.
[2.466]
Voambolana  9  Haitoetany: tanàna
10  Tantara: toerana
Ohabolana  11  Ohabolana misy io teny Alasora io
Tsanganana sy sary iray takila  12  Fitanisana
Sary 
13 
14 

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/01