Teny iditra |
fihenjanana
(henjana)
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fihinjirana, tsy fiketrahana: Fihenjanan' ny tady Fahamafisana: Aza morainy loatra ianao; tokony hasiana fihenjanana kely ny fitondranao ny mpianatra Fidiridiry, fiziriziry: Tsy namaly aho fa nivoaka noho ny fihenjanan' ny heviny [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | L'action de raidir, de tendre, l’instrument [1.3]
|
| Rigidité [1.13]
|
Ohatra | Mba hampahalefaka ny fihenjanana teo amin' ny fifam-pikasohanay roa, dia niara-nanaiky izahay fa tsara aloha ny hisindako kely haka rivotra aty Antananarivo.
[2.529]
|
|