|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  ako
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Fiverenan' ny feo mahadona zavatra, toy ny rindrina na tamboho na tendrombohitra
Fiverenana any aoriana:
Ao ny tsantan' ny andro taloha
sy ny hiran' ny fahazazako
no milevina ka tsy mifoha
na miverina mba hitondra
ako!
(J.-J. Rabearivelo)
4  [1.13] tamberim-peo
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] an echo; a reverberating sound.
6  [1.7] an echo
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.8, 1.5, 1.13] écho
Voambolana  8  Feo
Sampanteny 
9  Matoantenin' ny mpanao :
10  Matoantenin' ny fameno :
11  Anarana :
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny ako io

Teny iditra (2/5)13  ako
Sokajin-teny  14  anarana
Fanazavàna teny frantsay  15  [1.13] inverse
Voambolana  16  Matematika: rafitrisa
Sampanteny 
17  Mpamaritra :

Teny iditra (3/5)18  ako
Sokajin-teny  19  anarana
Fanazavàna teny frantsay  20  [1.13] impulsion
Voambolana  21  Fizìka

Teny iditra (4/5)22  akô
Sokajin-teny  23  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  24  [1.78] [Betsimisaraka] ao

Teny iditra (5/5)25  ako
Sokajin-teny  26  mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  27  [1.78] [Taimoro] tahaka, hoatry

Fivaditsoratra  28  ako, akô, aok, kao, koa, oka

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08