Teny iditra (1/3) | 1 hetra |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Voambolana |
3 Toe-karena: ara-bola ary fitantanana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana 5 (ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
6 Taxes [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
7 Impôt, taxe [1.8, 1.5] 8 Redevance [1.5] |
Ohatra |
9 Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra. [4.27#] 10 Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy. [2.508#] |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 15 Ohabolana misy io teny hetra io |
Lahatsoratra |
16 Randzavola: hetra ao amin' ny Baiboly |
Teny iditra (2/3) | 17 hetra |
Sokajin-teny | 18 anarana |
Sampanteny |
|
Fanazavàna teny malagasy |
24 Anarana hafa ilazana ny fehikibo. [1.1] |
Fanazavàna teny frantsay |
25 Ceinture [1.5] |
Tovy hevitra | 26 fehikibo, fehinkibo |
Teny iditra (3/3) | 27 hetra |
Sokajin-teny | 28 tambinteny |
Fanazavàna teny frantsay |
29 depuis que. § hàtra. [Tankarana]
[1.19] |
Tovy hevitra | 30 faitra |
Tsanganana sy sary iray takila |
31 Ny tambinteny rehetra |
Fivaditsoratra | 32 hetra, treha |
Nohavaozina tamin' ny 2023/05/22 |