|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  amby
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
3  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  4  amin'ny, sy [Betsimisaraka] [1.78]
5  Ny mihoatra: Misy ambiny ireto voankazo ireto ka hatao ahoana? Omeo an' izay zandriny indrindra ny ambiny
6  Ampiasaina eo amin' ny filazana isa mihoatra ny isan-tokony folo hatrany, ka eo anelanelan' ny folo sy roapolo, dia ambin' ny no ampiasaina, ary ankoatra an' io kosa, amby fotsiny: Dimy ambin' ny folo ~ Telo amby valopolo ~ Dimy amby zato. [1.1]
7  elanelan'ny iditra sy ny voaka [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  8  excess, surplus, the thing over. It is much used in counting, as, roa amby ny folo, two in excess of ten, hence twelve. In the provinces we have folo roa amby, and so with all the other numbers. It was also used formerly in repeating numbers in the ceremony of circumcision, as, isa amby roa, one and two; roa amby roa, two and two. [1.2]
9  excess, surplus [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10  excédent, surplus [1.8]
11  solde, reste [1.13]
Haiendriteny 
12  Tsotra :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  26  Ohabolana misy io teny amby io

Teny iditra (2/3)27  amby
Sokajin-teny  28  anarana
Voambolana  29  Matematika: rafitrisa
Fanazavàna teny malagasy  30  tarehimarika ankavanana indrindra amin'ny isa tsimivaky [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  31  chiffres des unités [1.13]

Teny iditra (3/3)32  amby
Sokajin-teny  33  anarana
Fanazavàna teny malagasy  34  vehivavy ratsy fitondran-tena [Taimoro] [1.78]

Fivaditsoratra  35  amby, mbay

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/20