|
|
|
|

Teny iditra 1  Andriananahary
Singan-teny  2 Andriamanitra, 3 mahary
Sokajin-teny  4  anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  5 Anarana izay ilazana an' Andriamanitra. Mitovitovy amin' ny hoe Zanahary ny Andriananahary amin' ny heviny. Matetika izy no nampiarahin' ny ntaolo amin' ny hoe Andriamanitra amin' ny vavaka sy ny firariana.
6 Raha mivavaka ho an' ny mpianakavy dia hoy izy : "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! E ! Ray razana ! Tonga eto izahay mianakavy, tahio andro, tahio alina ! ... ho soa anie, ho tsara ! " , ets.
7 Raha mivavaka ho an' ny zaza alam-bolo izy dia hoy izy : "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Sambasamba, tsy harofy, tsy halailay ! " , ets.
8 Raha mirary ho an' ny mpiantafika izy dia manao hoe : "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Tsy haratry ny an-tànan-tena anie izy any ! Tsy ho voan' ny an-tànan' olona, ho malama samborina, tsy voasingo-bahy, tsy ho voarangotr' avotra, mahereza basy aman-defona, mahavoria tany amam-panjakana ! " , ets.
9 Raha mivavaka ho an' ny olona anaovana sorona izy dia manao hoe : "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Soronako ity ondry mazava loha ity Ra.... hieren-doza aman' antambo ! ". [1.10#A.120]
10 Teny ilazana an' Andriamanitra, izay noheverin' ny Ntaolo Malagasy ho nampisy izao rehetra izao. Matetika ny hoe Andriananahary dia nampiarahina amin' ny hoe andriamanitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 [nahary, past tense of mahary, to create.] God, the Creator of the universe. This word is the most universally used in speaking of God, and is used by all the tribes throughout the island. It is often combined with andriamanitra. See zanahary. [1.2]
12 the Creator, God [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 Le Créateur, Dieu [1.8]
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  Andriananahary, 15 Iharanandriana

Nohavaozina tamin' ny 2026/10/22