|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  andriamanitra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny anglisy  3  [1.7] a god (sometimes used of the ancestors)
Fanazavàna teny frantsay  4  [1.3] dieu. Autrefois on donnait ce nom aux objets du culte superstitieux, et aux bonnes choses, comme nous disons divin pour exprimer une qualité supérieure
5  [1.8] un dieu (se dit parfois des ancêtres)
Ohatra  6  Ny vodiny nomeny ny andriamanjaka, fa izany no ataony ho andriamanitra hita-maso. [2.293]
Voambolana  7  Fivavahana, finoana
Kamban-teny 

Teny iditra (2/2)11  Andriamanitra
Sokajin-teny  12  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  13  [1.1] Anarana niantsoan' ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin' ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy
Ilay lehibe indrindra amin' ireo hery ireo, izay navahany amin' ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra-Andriananahary, ka voalazany fa:

a) tsy maintsy inoana: Manao an' Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy

b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona

d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona

e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin' Andriamanitra ny iray tahitahin' olombelona

f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana

g) tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy

h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon' ny loha
Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra
Ny masoandro, izay lazaina amin' ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano
Fanazavàna teny anglisy  14  [1.2] God. The word up to recent times was used in speaking of idols, charms, the deceased sovereigns, the reigning sovereign, anything valuable or wonderful; in these latter sense it seems equivalent to divine, supernatural, extraordinary, or surpassingly excellent. It is still so used in the more distant parts of the island, and among the unenlightened people of the central province even. It is said that the name was so given because while the body might not be seen, there was a fragrancy attending the name. See zanahary
15  [1.7] God
Fanazavàna teny frantsay  16  [1.3, 1.8, 1.5] Dieu
17  [1.3] Le Créateur
Ohatra  18  Fa maninona re izahay, andriamanitra, no dia nidiran-doza toy itony! [2.324]
19  Hafahafa ihany ny soratr' aretiny ary tsy fantatra rahateo izay sitrapon' andriamanitra. [2.470]
Voambolana  20  Soratra Masina
Haiendriteny 
21  Tsotra :
Mpanahaka  22  andtra, andriananahary, zanahary
Kamban-teny 
Ohabolana  36  Ohabolana misy io teny Andriamanitra io
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  37  Toko sy andininy momba Andriamanitra
Lahatsoratra  38  Randzavola: Diksionera amin' ny Baiboly: Andriamanitra

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02