Teny iditra Angolangolan' ny Tanora
Singan-teny angolangola ; tanora
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rajaonarivelo Auguste
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Eny iky, ry rano manamika ery an-tsefatsefa-bato, ry lomotra maka toerana ery an-doharano! Mba nikasa higoka, hono, aho, ka nangaina; nanantena handraoka ka nanjahatra. Hay, iny no rivotra an-kadilanana, andraofan-tsy ahazoana, avela mitambolina ihany! Hanky iny no embok' akondron' Isoamanidoka, andrasan-tsy latsaka, afoy toa hena. Ka raha hikopa-damba dia ho roso moa iny ka haninona, fa ity izy misarisary zoro toa himpody, toa hiverina, no tsy zakako. Mbola tia ka iavonana.

saikiny

Hay ianareo ombimanga noana tojon' ny antsoron' Andraopasika, mody mianjona kanjo liana! Tsiriry reraka sendra kamory, mody tofoka kanjo tia! Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona; na misary zoro toa hijanona, hono, izy, tsy angola fa latsa!


Nohavaozina tamin' ny 2023/11/22