|
|
|
|

Teny iditra1  endrey
Sokajin-teny  2  tenim-piontanana
Fanazavàna teny malagasy  3  Dray na Drey na Endrey na Adrey na Dray: tenim-piontanana voatonona amim-pahatairana raha misy mahagaga tsy nampoizina, na mahafaly tampotampoka, na misy maharary tsy aritra. (Ny tena ahalalana azy ho fanehoam-pahagagana, na hafaliana, na fangirifiriana anefa dia miankina amin' ny feo sy ny anononan' ilay olona miteny azy mbamin' ny fahitana ny endriny sy ny fihetsiny eo am-pitenenana). -- Indraidray ny dray dia atao solony tambinteny hoe: izaitsiizy na tokoa tokoa, ets.; ary ny fanao amin' izany dia ny Edrey, toy izao: Lafo dia dray izany peratrao izany! ~ Lafo dia edrey izany peratrao izany ! [1.10]
Ohatra  4  endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470]
5  Taitra izy, ary endrey ny fahatahorany; [2.324]
6  endrey ny alahelo amy ny fandrenesana izany! [2.59]
7  endrey maha-te-hizaha! [1.215]
8  endrey ny hatairan' izy roa lahy! [2.499]
9  Dia hoy Rafotsiarifanahy: "endrey! [2.293]
Tsipelina hafa  10  adray, adrey, dray, drey
Tsanganana sy sary iray takila  11  Ny tenim-piontanana rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31