|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  fafana
Fototeny  2 fafa
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Esorina ny loto, ny fako amin' ny zavatra na toerana iray: Fafao tsara ny efitrano fandriana
9 Faohina: Efa nofafako ny latabatra
10 Alaina tsy misy avala na kely aza: Nofafan' ny mpangalatra ny entanay tany ambanivohitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to be swept [1.2, 1.7]
12 to be wiped, to be cleared off [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  13 qu'on balaie [1.3, 1.8, 1.5]
14 qu'on essuie [1.3, 1.8]
15 qu'on raffle: Nofafan' ny tompon-trosa ny fananako rehetra (Mon créancier a rafflé tous mes biens) [1.3]
Ohatra  16  Ary isaky ny maloto, dia tsy maintsy fafana. [2.332#26]
Fikambanana  17  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe fafana

Teny iditra (2/3) 18  fafana
Sokajin-teny  19  anarana
Fanazavàna teny malagasy  20 [Antemoro+Bezanozano+Sihanaka] hazofisaka [1.78]
21 [Tanala] hazo fisaka fanaovana gorodon-trano [1.78]
22 Hazo fisaka natao solontsolaitra nanoratana tamin' ny andro taloha: Nasiana menaka kely aloha ny fafana, isaky ny anoratana, dia norarahana vovoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  23 a piece of board for writing on, a lesson-board, a blackboard. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  24 tablette des anciens pour écrire [1.3]
25 [Tankarana] planche [1.19, 1.5, 1.13]
26 [Tankarana] madrier mince. [1.19]
Ohatra  27  Nanao fafana no raharahan-dRatompokolahy fahavelony. [2.529#15]
Fikambanana  28  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe fafana

Teny iditra (3/3) 29  fafana
Sokajin-teny  30  anarana
Haiendriteny 
31  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  35 Fofona manitra mamerovero mandraraka eran' ny toerana izay [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  36 odeur [1.3#136]

Fivaditsoratra  fafana, 37 fanafa

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/19