|
|
|
|

Teny iditra1  famakiloha
Singan-teny  2  famaky, loha
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.10#F.155] karazam-bibikely mitovitovy habe amin' ny valalavao saingy lava vatana kokoa, amin' ny antokon' ny Orthoptères. Henjana ny elany ambony ary manify makarakara toy ny elatra ambany amin' ny azy. Lava be ny tendany. Ny tanany roa anoloana dia sady lava no lehibe sy mantajaka, io no fandraisany haza, ets., dia biby madinika samy hafa. Misy karazany maro izy: ny sasany borobory ny lohany ary ny masony roa dia mivoaka avy eo an-daniny avy, karazany vaventy ireo. Ny sasany kosa indray dia lava sady maranitra ny lohany, toy ny valala Tsindakana.
5  [1.1] Biby maitsomaitso sahala amin' ny valala, ary misy toy ny famaky eo amin' ny vavany, izay nahatonga ny anarany
Fanazavàna teny anglisy  6  [1.2] A species of mantis
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3#141] la mante prie-Dieu
Voambolana  8  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina
Ohabolana  9  Ohabolana misy io teny famakiloha io

Fivaditsoratra  10  famakiloha, hifamolaka, mahalofika

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21