|
|
|
|

Teny iditra 1  loha
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
4  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Tambinteny :
Mpampiankin-teny :
Fanazavàna teny malagasy  17 Faritra ambony indrindra amin' ny tenan' ny olombelona -- ary aloha indrindra kosa ho an' ny biby -- izay mizara roa: ny eo anoloana misy ny maso, orona, sofina, vava, ary ny ao an-damosina rakotry ny volo, fa ny ao anatiny kosa misy ny ati-doha fototry ny fihontsonana sy ny fisaintsainana ary ny finiavana: Nianjera izy ka vaky ny lohany (raha ny ao anatin' ny loha no lazaina, dia ny teny hoe andoha no ampiasaina: Marary ny andohako; jereo Andoha
18 Saina: olona kely loha koa izay nametraka itỳ teto
19 Lehibe mpitarika: Rainivoanjo no lohany tamin' io raharaha ratsy io
20 Tendrony aloha amin' ny zavatra iray: Nifatratra tao anaty zozoro ny loha lakana
21 Karazana: Maro loha ny sakafo narosony ho anay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  22 the head; the front part [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  23 la tête; la partie avant [1.8]
Ohatra  24  Elo manga miofon'andro ambony loha; [1.257#]
25  Dia hisy loha ho tapaka indray atsy ho atsy! [2.528#]
Voambolana  26  Haiaina 27  Toerana
Mpanahaka  28  andriamanjaka, 29  andriana, 30  ben' ny tany, 31  filoha, 32  lehibe, 33  loholona, 34  mpanapaka, 35  mpandidy, 36  mpanjaka, 37  mpifehy, 38  mpitarika, 39  mpitondra, 40  ray aman-dreny, 41  tale, 42  tompombodivona, 43  tompomenakely, 44  vovonana iadian' ny lohany
Manontolo 
Ampahany 
Anaran' akora mamorom-batana 
Fikambanana  73  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 242 misy ny teny hoe loha
Ohabolana  74  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  75 Randzavola: loha ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  76 halo, 77 hola, 78 laho, loha

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22