|
|
|
|

Teny iditra (1/4) 1  fanahy
Fototeny  2 hahy
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka [1.1]

Teny iditra (2/4) 5  fanahy
Fototeny  6 ahy
Sokajin-teny  7  anarana
Haiendriteny 
8  Tsotra :
9  Tovonana :
Fanazavàna teny malagasy  10 Fomba entina manahy
11 Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango
12 Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona.
13 Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany.
14 Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika.
15 Toetra: Manao fanahin-jaza.
16 Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  17 the mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy. [1.2]
18 the spirit, the soul; an attitude or temperament [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  19 esprit, âme; attitude ou tempérament [1.8]
Ohatra  20  Toetra no lazaina hoe fanahy eto. [1.316#]
21  Fa misy fanahy handalana, Re lahy! [2.69#]
22  Fanandratana ny fanahy maha-olona. [1.317#]
Voambolana  23  Filôzôfia
Tovy hevitra  24 iniana, nahy, satry
Fikambanana  25  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 49 misy ny teny hoe fanahy
Ohabolana  26  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  27 Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4) 28  fañahy
Sokajin-teny  29  anarana
Haiendriteny 
30  Tsotra :
31  Tovonana :
Fanazavàna teny malagasy  32 [Bara] fitaka [1.78]

Teny iditra (4/4) 33  Fanahy
Sokajin-teny  34  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Ohatra  35  Velona amin'ny fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny fanahy [2.996]
Voambolana  36  Soratra Masina

Fivaditsoratra  37 fahany, 38 fahina, fañahy, fanahy, Fanahy, 39 fiha~na, fihana, 40 hafina

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19