|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  ahy
Sokajin-teny  2  mpisolo anarana [Fitanisana]
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Fanazavàna teny malagasy  4 Mpisolo anarana misolo olona enti-milaza: ny olona miteny raha atao teny fameno: Raha vao nahita ahy izy dia nandositra.
5 Raha milaza tompon-javatra: Ahy itỳ boky itỳ. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 Me, my, mine; objective case of aho. Occasionally this word is found with the suffixe pronouns, as ahiko, mine. [1.2]
7 Me (as object); mine [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 à moi, moi, me. Ahy (ou quelquefois ahiko) irery izany: c'est à moi seul, c'est ma part. Mamono ahy izy: il me frappe. [1.3]
9 A moi, me [1.5]
10 Moi (objet), mien [1.8]
11 [Tanala] à moi, moi, me [ahy est peu employé: cf plutôt anahy]. [1.6]
Ohatra  12  Natoky ahy i Feno. [2.472#58]
13  Iza no mba tia ahy? [2.471#19]
14  Mivavaha ho ahy koa. [2.499#19]
Mpanahaka  15  aho, 16  ko
Fikambanana  17  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe ahy
Tsanganana sy sary iray takila  18  Ny mpisolo rehetra

Teny iditra (2/2) 19  ahy
Sokajin-teny  20  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  34 tahotra [1.1]
35 fahatsapana sy fahatsiarovana ny fisian'ny tena sy ny manodidina ny tena; fahatsiarovan-tena eo amin'ny adidy, eo amin'ny fitiondran-tena; eritreritra [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  36 solicitude, inquietude, anxiety, care, attention. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  37 soin, sollicitude, soupçon [1.3, 1.5]
38 inquiétude, souci [1.3]
39 conscience [1.13]
Ohatra  40  Aiza no misy ahy? [2.5#111]
41  Ny ahy toaka mahery! [2.583#5]
42  Mba kivazivazy ny ahy. [2.895#70]
43  Asa izay fiheverany ahy. [2.4#64]
Voambolana  44  Filôzôfia 45  Ontam-po

Fivaditsoratra  ahy, 46 hay, 47 hia, 48 iha

Nohavaozina tamin' ny 2026/07/17