Teny iditra fiovana (ova)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanjariana ho hafa, fiofoana: Ny fiovan' ny gamoina ho lolo
Fihatsarana na fiharatsiana: Tsy misy fiovana ny aretin-drainao
Fivadihana: Ny fiovan' ny andro teo izay no nahabe aretina [1.1]
Fanazavàna teny frantsay L'action de changer [1.3]
 Modification, changement, mutation [1.13]
Ohatra 
1Tsy misy fiovana ny soratr'aretina na dia narahina an-tsakany sy an-davany aza ny tenin'ny dokotera sy ny fanafody nomeny [2.470]
2Misy fiovana ny sain'olombelona [2.471]
3Ny fiovana nisy dia momba anay mianakavy [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : fiovana, fiovako, fiovanao, fiovany, fiovantsika, fiovanay, fiovanareo, fiovan', fiovan-, fiovam-, fiova-
Tovonana : -piovana, -piovako, -piovanao, -piovany, -piovantsika, -piovanay, -piovanareo, -piovan', -piovan-, -piovam-, -piova-
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/18