|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  haja
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
4  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  22 Fanaovana ho zavatra, toetra mahatonga hoheverina ho zavatra: Lehilahy manankaja io
23 Mariky ny fiheverana ho zavatra: Omeo haja izy
24 Voninahitra, baràka, hasina, zo, dera, laza, ilo mby an-doha, anarana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  25 honour, respect, regard, reverence. See asy. [1.2]
26 respect, honor [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27 respect, considération, vénération, honneurs rendus: Mendrika homen-kaja izy (Il mérite d'être respecté, honoré) ~ Manan-kaja io vehivavy io (Cette femme est respectée) [1.3]
28 respect, honneur [1.8]
29 honneur, considération [1.196]
Ohatra  30  Raiso, Tompoko, ny haja atolotro anao. [2.270#130]
31  Very haja ny tenany fa lany izato harenany/ [2.720]
Voambolana  32  Ontam-po
Fikambanana  33  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 11 misy ny teny hoe haja
Ohabolana  34  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3) 35  haja
Sokajin-teny  36  anarana
Fanazavàna teny malagasy  37 [Bara] izay noharina, harena [1.78]
Tovy hevitra  38 hajahaja
Fikambanana  39  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe haja

Teny iditra (3/3) 40  haja
Sokajin-teny  41  anarana
Fanazavàna teny malagasy  42 [Bara] vary, hanina dia izay fihinana rehetra (Tsy mba fiteny Bara akory fa tenin’ombiasa ihany) [1.353#62]
Fanazavàna teny frantsay  43 [Betsileo] C'est le nom mystique que le mpisikidy ou devin donne au riz dans le cours de ses prophéties [1.196]

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22