|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  jofo
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  23 [Bezanozano+Sihanaka] vovoka [1.78]
24 fisavoanana, fitambolimbolenan' ny rivotra na ny setroka miakatra, fisosososoana, fahasahiana misosososo amin' ny zavatra misy loza [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  25 action de s'élever, de tourbillonner, de se répandre, de se précipiter, comme la fumée, la poussière, d'aller avec hardiesse, sans crainte, comme les soldats à l'attaque, comme des voyageurs hardis [1.3#297]
26 poussière [1.13]
Ohatra  27  Ny jofo dia vovoka asavoanan' ny rivotra na ny tadio. [2.643#214]
28  Hataon' i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin' ny taninao; [2.996]
29  Tsitapitapitrizay, tamin' ny arabe nandalo eo andrefana kelin' ny toerana nisy azy, nisy fiarakodia maromaro avy avaratra nitora-jofo avy nanatona. [2.472#189]
Mpanahaka  30  vovoka
Fikambanana  31  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 4 misy ny teny hoe jofo

Teny iditra (2/2) 32  jofo
Sokajin-teny  33  anarana
Fanazavàna teny frantsay  34 Sens général (d'après Malzac) : action de s'élever en tourbillonnant, de se répandre, comme la poussière et les poudres légères. Ce nom s'applique au pollen très abondant de Conifères introduits (pinus etc.), de Podocarpus madagascariensis Baker (Podocarpaceae) endémique, etc. [1.196#II.89]
Voambolana  35  Haizavamaniry
Fikambanana  36  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe jofo
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/19