|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  kapila voahitsaka
Sokajin-teny  2  kambanteny
Fanazavàna teny frantsay  3  Têt de calebasse foulé aux pieds 4  figuré: décharné, qui n’a que la peau et les os, complètement ruiné, incapable de quoi que ce soit [1.3#311]5  L' homme ruiné est comme un têt de calebasse foulé aux pieds [2.415#2499]
Singan-teny  6  kapila, voahitsaka
Ohabolana  7  Ohabolana misy io teny kapila voahitsaka io

Teny iditra (2/2)8  Kapila voahitsaka
Sokajin-teny  9  anarana (lohatenin' boky)
Voambolana  10  Haisoratra: boky
Mpanoratra  11  Rabarison Vincent de Paul
Lahatsoratra  12  (...)

Tanora taizan' Iarivo

Raha mihazo ilay arabe atao hoe "Rue Amiral Pierre" ianao any Antananarivo, ka lasa ambanimbany, tojo ilay trano misy soratra hoe: "Coiffure pour Dames", eo andrefan'io jereo fa misy lalankely maizimaizina. Midina ny tohatohabato, araho iny elakela-trano iny, ka rehefa misampan-droa ilay lalana, dia ny havanana aleha; vao afaka intelo mandingana, ianao, dia io no tranon-dRasoazanaparany, nenitoan'i Henri-Aimé antsoiny hoe " Mama ", fa Ramatoa Rahanta reniny kosa ataony hoe "Neny" . Antonintoniny ny trano; efa ela nitoerana, nefa voakajakaja ka mbola tsara jerena. Eo atsimon-trano, misy tohatra azo iakarana any ambony rihana. Io efitrano malalaka ao ambony rihana io, voatemitra sy vita ngorodona, no ipetrahan'Andriamatoa Henri, efa hatry ny fito taona izay.

Tanora taizan'larivo an-tampon'ny fahavitrihana i Henri amin' izao faha-19 taonany izao. Maty vady Rasoa sady tsy mananjanaka ka i Henri efa notezainy hatry ny fahakely no anamparany ny fony manontolo Impiry impiry i Henri eo am-pisakafoana no ataon-dRasoa hoe:
- Inona indray no mba tian-janako?
- Mama koa... Trondro ve misy izao e? Raha fonosina lafarina, hono, izy ireny, ry Mama, mafilotra ery!...
- Adre! izay trondro foana, ry aiko! na dia hanafatra any Toamasina aza!. ...

Dia tonga ny trondro ny harivan'io na ny ampitso raha ela. Efa fantatr'i Henri izany fitiavana mandrotsirotsy ny fiainany izany, ary nahazatra azy... Izany raha hila zavatra izy, dia hainy ery ny mihontihonty.
- Mama, saika maty aho anikeo, marinal.
- Ss... .Ss... .Ss... .saika maty ahoana, ry Henri? Mandainga ratsy eo!
- Marina e... Nanofa bisikileta teny Analakely aho ka nanao be midina teny Faravohitra. Hitan'i Mama ilay fidinana mankany Andravoahangy?
- Io anie, anaka, no efa ilazako aminao.
- Nataoko ho nihinana tsinona ny "freins " koah, izaho ve nahita? Nony teo amin'ilay lalana mifanapaka indrindra, indry misosososo mafy aotomobilina iray avy any atsinanana. Nohidiako ny "freins" ka tsy nihinana. Maty aho, hoy ahol. hisy azy i Mama. Izany no tao an-tsaiko (latsaka ny ranomason-dRasoa) kanjo mba voatanan'ilay mpamily ihany ny "freins" ...; raha tsy izany an...

Tafatsangana Ramatoa Rasoa, nifendrofendro nanoroka an'i Henri somary nitsiky nanao hoe:
- Izaho angaha maty no itomaniana e?.

Izay dia sisihan-dRasoa vola ariary ao am-paosin'i Henri...

(...)


Fivaditsoratra  13  Kapila voahitsaka, kapila voahitsaka, Kapila voahitsaka, kapila voahitsaka

Nohavaozina tamin' ny 2024/08/26